Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Olana tao amin’ny Lycée Jacques Rabemananjara
  Niravona ny disadisa nisy teo amin’ny mpampianatra sy ny mpianatra
  Tsy marina ny resaka niely tao anatin’ny « Facebook » fa horoahina avokoa ireo mpianatra rehetra tao amin’ny kilasy famaranana TD7 ao amin’ny Lycée Jacques Rabemananjara fa “fandaminana no atao fa tsy fandroahana velively”, hoy ny Talen’ny sekoly, Atoa Babity Fidelis.

Nanoloana ny resabe miely tao anatin’ny tambajotra sosialy « Facebook » momba ny ho fandroahana mpianatra maherin’ny 50 ao amin’ny kilasy Terminale D 7, Tao amin’ny Lycée Jacques Rabemananjara (LJR), dia nisy ny fitondram-panazavana nataon’ny Talen’ity Lycée ity, Atoa Babity Fidelis sy ny Sekretera jeneraly Atoa Rajaonasy Stephan Joseph.

Ny talata 11 marsa lasa teo, dia nisy ny tafa nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety. Olan’ny mpianatra kilasy TD7 ao amin’ity sekoly ity sy ny mpampianatra taranja Svt iray no nipoiran’ny raharaha. Tsy faly tamin’ny fihetsika feno fanambaniana nataon’ireo mpianatra ilay mpampianatra taranja SVT. Nampiseho fiaraisan-kina ireo mpampianatra maherin’ny 50 tao amin’ny LJR ary nanapa-kevitra tsy hampianatra ireo mpianatra tao anatin’ny roa herinandro. Mpianatra namerin-taona sy mpianatra avy tamin’ny sekoly hafa no ankabezan’ireto mpianatra ireto.

Voatery nampiantso ireo ray aman-drenin’ireo mpianatra ireo noho izany ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny LJR. Raha ny fanazavan’ireo mpampianatra maro an’isa dia tofoka sy leo an’ireto mpianatra izy ireo noho ny ditrany. Voalaza fa mpingitrika lava sy mangala-tsonian’ny ray aman-dreny no ankamaroan’izy ireo. Nandritra ny fivoriana nifanatrehan’ny telo tonta, dia nisy ny marimaritra iraisana teo amin’ny mpampianatra, ny tompon’andraikitry ny sekoly ary ireo ray aman-drenin’ny mpianatra. Mpianatra valo tao amin’io kilasy io no fantatra niakatra Codis omaly alarobia 12 marsa. Horavana kosa ny kilasy TD 7, ka aparitaka amin’ireo kilasy Terminale D hafa ireo mpianatra tao anatiny. Hiverina hianatra izy ireo manomboka ny alatsinainy 17 marsa ho avy izao.
 
(25) Erino RAZAFIMANANA : 13-03-2014 - 15:00

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image