Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Lozam-piarakodia tamin’iny RN2 iny
  Naratra mafy ilay mpamily fiara lehibe mpitondra entana
  Fiara lehibe mpitondra entana iray no nivadika tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny, 17 km miala ny tampon-tananan′ ny Toamasina.
Araka ny fantatra dia saika hiazo ny andrenivohitra tamin’ny Asabotsy faha 30 ny volana mai lasa teo ity fiara ity ka izao tratran’ny lozam-pifamoivoizana izao.
Vokany naratra mafy ny mpamily ilay fiara araka nambaran’i Fidison, mpamily mpanampy an’ilay fiara. Fantatra tamin’io koa fa nony hamafin’ny hafainganampandeha ihany no nampivadika ilay fiara. Zotra indroa isankerin’andro moa no ataon’izy ireo ary ny tompon’ilay fiara no mpamily, tsy nahatandrina ny fahainganampandeha, izao niharambohina naratra mafy izao.
 
(48) Prud′homme RAKOTOSON : 03-06-2014 - 17:00

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image