| Dian’ny Filoham-pirenena sy ireo minisitra maro teto Toamasina | | Fitokanana ireo asa vita sy fotodrafitr’asa maro | | Nigadona androany, zoma 20 jona, teto tamin’ny seranam-piaramanidina Ambalamanasy TOAMASINA, tokony tamin’ny 10 ora latsaka fahefany teo ny fiaramanidina nitondra ny filoham-pirenena Malagasy Atoa Hery RAJAONARIMAMPIANINA, hitokana ireo fotodrafitr’asa maro, toy ny lalana : Rue de Commerce, Rue Michel Mahazo, Rue Jean Jack Rousseau; teo ihany koa ny tsenan’ny Bazary Be ary hijery akaiky ireo asa efa vita sy fametrahana vato fehizoro ho fanohizana ny fanitarana sy fanatsarana ny seranan-tsambon’I Toamasina.
Nanamarika izany ihany koa ny fahatongavan’ireo minisitra maro.
Tamin’ny fitokanana ireo lalana dia nanambara ny minisitry ny asa vaventy Atoa Roland RATSIRAKA fa nanao ezaka izy ireo tao anatin’ny 61 andro tamin’ny fanatsarana ny lalana teto Antampotananan’I Toamasina, isan’izany ny lalana miainga avy amin’ny 3 chemins mampisaraka ny Ankirihiry sy Valpinson na Caf� d’or teo aloha izay mihazo ny rond-point Tanamakoa. Teo ihany koa ny lalana mihazo ny Tanamakoa mandalo eo manoloana ny Lyc�e Technique hatrany amin’ny Eglise Sacr� Coeur. Nanampy ny filoha Atoa Hery RAJAONARIMAMPIANINA fa tsy afa misaraka ny lalana sy ny fampandrosoana satria tsy ho tafavoaka ny vokatra raha tsy vita ny lalana, ary nitohy tamin’ny fitokanana ny Bazary Ben’I Toamasina izany.
Vita ny fanatsarana ny Bazary Ben’I Toamasina izay efa simba nandritry ny fotoana naharitra. Mirefy 5300m2, mahazaka mpivarotra 750 ny tsena vaovao. Efa maro ireo olana nondalovan’ity tsena ity, ireo rivodoza, ny fahamaizana sns… ka izao notokanana ny zoma 20 jona 2014 izao.
Nanambara ny filoham-pirenena Atoa Hery RAJAONARIMAMPIANINA tao anaty kabary nataony fa tsena tsara, moderina, tsy mena-mitaha any amin’ny firenena mandroso ary maneho ny fiarahamiasan’ ny fanjakana sy ny orin’asa tsy miankina izao tsena izao, orin’asa Ambatovy no nanao fandaniana rehetra izay mitentina 8 800 000 000 Ariary.
Nitohy tamin’ny fitokanana ny asa fanavaozana sy fanitarana ny seranan-tsambon’I Toamasina, izay nandaniana vola mitentina 37 116 495 500 Ariary tamin’ny fanavaozana.
Tanteraka ny asa hoy ny filoha Atoa Hery RAJAONARIMAMPIANINA, ho tombontsoan’ny vahoaka. Nambaran’ny Tale jeneralin’ny SPAT fa manaraka ny fandrosoana ny Port Toamasina ankehitriny satria nitarina 17Ha, nampiana ihany koa ny jiro nanazava amin’ny alina.
 | | (57) Prud′Homme RAKOTOSON : 20-06-2014 - 19:15 | |
|
| Vaksiny "AstraZeneca" | | | Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny | | Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po. | | |
| CISCO Toamasina I | | | Nizara DLM 221 isa | | Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay. | | |
| Fetin'ny reny | | | Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana | | Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany. | | |
| Lahatenin'ny Filoha | | | Misokatra ny lalana manerana ny nosy | | Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021. | | |
|