Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Andro manerantany amin’ny fanomezan-dRa maimaimpoana
  99% amin’ny ra voangona no azo avy amin’ny fianakaviana,
1% no fanomezan-dRa maimaimpoana
  Ny ra hazoantoka manavotra ny reny traha doza,
io ny lohahevitra noentina nankalazana ny andro manerantany amin’ny fanomezan-dRa maimaimpoana ny asabotsy 14 jona 2014, izay natao manoloana ny Esplanade de la mairie Toamasina. Fantatra fa miisa 1793 ny kitapon-dRa voangona nandritry ny taona 2013, ny 99% amin’io dia Ra azo avy tamin’ny fianakaviana ary 1% kosa Ra nomena maimaimpoana. Araka izany dia ambany ny taha ny fanomezan-dRa maimaimpoana raha ny eto Madagasikara no resahina io indrindra no antony nanaovana izao fankalazana nasionaly teto Toamasina izao.
Ny tanjony minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka dia ny fanentanana ny olona mba hanome Ra maimaimpoana mba hamonjena ny Reny traha-doza.
 
(59) Prud′Homme RAKOTOSON : 15-06-2014 - 18:15

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image